Ny hahazoana ny fiadanana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Desambra 2022

1 TMOTY 2.1-7

2 Timoty 2,1 - 7
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

1 TMOTY 2.1-7

Ny hahazoana ny fiadanana

1-Mivavaha ho an’ny mpitondra

Mazava tsara eto ny toromarika omen’i Paoly Apostoly fa tokony ho entina amam-bavaka ny mpitondra ao anatin’ny fiaraha-monina .Manana ny toetra mampiavaka azy izy ireny : ao ny masiaka,manao fitondrana mampahory vahoaka ,manavakavaka, mety ho tsy mahasoa ny fomba fitondrany. Rehefa mitondra am-bavaka ny mpitondra ny fiangonana , ny mpino kristiana dia miasa amin’ny fomba tsy takatry ny sain’olombelona amin’izy ireny Andriamanitra ka manova sy manitsy ny diany ,manova ny toetrany . Ilay Tompon’ny fanjakana no hamangy ny fony mba hisehoan’ny fiadanana ao amin’ny fiaraha-monina .Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrIndra.

2-Mitoria Ilay Jesoa Kristy Mpamonjy

I Jesoa Kristy no Tompon’ny fanjakana rehetra .Fikasany ny handraisan’ny olona rehetra ny famonjena notanterahany teo ambony hazo fijaliana,ny nandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty.Rehefa manjaka ao amin’ny fiaraha-monina ny fiadanana, ny filaminana dia afaka manao asa fitoriana malalaka ny fiangonana ,hitombo isa ireo mandray ny Filazantsara ary mety handray ny Filazantsara koa aza ireo mpitondra . Ny fandraisan’ny sokajin’olona rehetra ny Filazantsara ,ny fanekena Ilay Jesoa Tompon’ny fanjakana dia manova ny tontolon’ny fiaraha-monina ,tsara ny fifandraisana ,mihavana ny olona ,tanteraka ny fiainam-piadanana.

Fanontaniana :

Mikatsaka ny fiainam-piadanana ny olona ankehitriny .Inona no tokony ataon’ny fiangonana na ny tsirairay?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM