Tsy mankasitraka ny mivadika andraikitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Desambra 2022

1 SAMOELA 13.13-15

1 SAMOELA 13.13-15
13 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay. 14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao. 15 Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.

Tsy mankasitraka ny mivadika andraikitra

1-Mitsara ny olona araka ny asany ataony Izy

Ny ho mpanapaka ny Israely no nifidianana’Andriamanitra an’i Saoly .Raha niady tamin’ny Filistina anefa ny Israely dia indro nisalovana ny asan’ny mpisorona i Saoly .Izy no nanatanteraka ny fanateram-panatitra (and 9).Mazava ny teny nambaran’i Samoela : diso , adala iSaoly satria tsy nitandrina ny didin’Andriamanitra .

2-Manaisotra ny fitahiana

Mpanjaka voalohany teo amin’Israely i Saoly .Mifarana eo aminy ny fanjakany ; mpanjaka tsy hanana taranaka handimby izy . Tsy haharitra ny fanjakany. Nesorin’Andriamanitra tsy ho aminy ny fitahiana tokony ho anjaran’izy sy ny taranany. Efa manomana mpanjaka handimby azy Andriamanitra. Mitandrema mandrakariva mba tsy ho very ny fitahiana ho anao sy ny taranakao .

2-Mamela ho irery

Nandao an’i Saoly I Samoela .Ao anatin’ny ady mafy izy , kanefa nandao azy ilay nanosotra azy ho mpanjakan’Israely.Niady irery tsy nisy mpanolo-tsaina izy teo amin’ny fandaminana ny olona entina miady( and15) . Tsy miandany,tsy momba izay mivadika amin’ny fanekena nataony Andriamanitra .Mahaiza mankato ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy irery ianao miatrika ny fiainana .

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hahazoana misitraka ny fitahiana avy amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM