Eo am-piandrasana ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Novambra 2022
JAONA 4.39-45
JAONA 4.39-45
39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. 40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny 42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. 43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia. 44 Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny. 45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana.Eo am-piandrasana ny Tompo
1-Andao hiala amin’ny fahotana fa mitaona ny hafa ny fiovam-pontsika (and39)
Maro ireo samaritana no nino ny noho ny filazan-dravehivavy tamin’izy ireo ny momba an’i Jesoa .Ny antony dia ny fahitany ny fiovan’ ilay vehivavy .Mpijangajanga ity vehivavy ity , kanefa indro izy niova noho ny fihaonany tamin’i Jesoa . Izany fiovam-po tampoka sy mahery vaika izany no nanosika ireto samaritana ireto hino sy hitady an’i Jesoa . Ny fiovam-ponsika dia mitaona ny hafa .Koa raha tena mibebaka isika ka miala amin’ny ratsy dia ho voavonjy isika sady hahataona ny hafa ho voavonjy ihany koa.
2-Araraoty ny fotoana hahazoana famonjena (and40)
Nangataka an’i Jesoa mba hijanona ao an-tànanany ireto samaritana ireto dia nanaiky Izy . Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy mahazo mijanona ao Izy satria ny Jiosy sy ny Samaritana tsy mahazo mifampiraharaha sy mifanakaiky ara-nofo , satria maloto amin’ny Jiosy ireo Samaritana ireo satria mpanompo sampy.Ny fahitan’izy ireo an’i Jesoa tsy mba nanilika azy dia nohararaotiny mba hitadiavana famonjena ho an’ny fanahiny izay very noho ny fahotany.Roa andro no fotoana nanararaotany an’i Jesoa mba te-higoka fahasoavana avy amin’i Jesoa izy ireo , kanefa tsy manana izany zo izany ,satria ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.Hainy ny nanararaotra ny fotoana mety. Manam-pahendrena tokoa izy ireo amin’izany .Koa araraoty ny fotoana hahafahana mihaino ny Tenin’Andriamanitra , toy izany koa ny fotoana hanompoana an’Andriamanitra , satria voafetra ny fotoana (Mpitoriteny 3.1) .
Fanontaniana:
Efa nisy fahotana niombonanao tamin’ny hafa ve? Vitanao ve ny miala amin’izany , ary mino ve ianao fa hisy fiovana ihany koa iny namanao iny raha mahita azy miova ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM