Mandra-piavin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Novambra 2022
FILIPIANA 3.17-21
FILIPIANA 3.17-21
17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny; 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, 21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.Mandra-piavin’ny Tompo
1-Ataovy ny fanompoana an’Andriamanitra (and17)
Angatahin’i Paoly amin’ireto kristiana tao Filipia ireto ny mba hahafahan’izy ireo azy . I Paoly mantsy dia apostoly izay nanao ny fanompoany amin’ny maha-fanompoana azy tokoa ( 1 Tes 2.6). Manana ny lanjany lehibe tokoa ny ara-panahy satria hitantsika fa ny ara-nofo aza mba misy lanjany mba misy lanjany tokoa , mainka fa ny ara-panahy, satria tsy misy mahavidy fanahin’olona iray monja amin’ny vola na harena samihafa eto amin’izao tontolo izao .Noho izany , manana fahefana hitaky izany tokoa i Paoly raha ny fanompoana izay saika tonga lafatra nataony , saingy tsy mba nanao izany , satria nanana fanetrentena izy , nahatsiaro fa mpanompo .Ry havana , andeha atao mendrika ny fanompoana raha mba milaza izany ihany isika hoe : « Jesoa Tompo « : misy heviny lalina io teny io .
2-Tandremo ny fanompoana arahina fitiavan-tena (and19)
Hita araka io andininy io fa nisy kristiana nanahirana tao , tsy nahalala afa-tsy izay voninahitra sy hanina ho azy raha nanompo tao amin’ny fiangonna . Misy ankehitriny izany , satria maro ireo mpanompo an’Andriamanitra tsy mirotsaka amin’ny asany raha tsy efa mahafantatra ny voninahitra sy ny tombotsoa manokana toy ny fiara na trano …Efa tsy mpanompo intsony fa mpikarama , eny mpandroba an’Andriamanitra mihitsy aza. Hoy i Jesoa hoe: « Aza mihary harena ho anaeo ety an-tany izay misy kalalao sy harafesina manimba ... » Tandremo tsara ny fanompoana ! »