Miomana handray ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Novambra 2022
Asan'ny Apostoly 13,16 - 25
16 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa; 17 Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany. 18 Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony* tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [* Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)] 19 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy 20 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany. 21 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina. 22 Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20). 23 Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely, 24 rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy. 25 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.ASAN’NY APOSTOLY 13.16-25
Miomana handray ny Tompo
Niditra tao amin’ny synagoga i Paoly ary nangatahan’ireo mpanapaka ny synagoga mba hitondra ny fampaherezana ny vahoaka . Nitondra ny teny tokoa ny Apostoly ary ny vontoatin’ny hafany dia mitaona antsika manao hoe :
1-Fantaro fa nandefitra tamintsika ny Tompo
Voalaza ato amin’ny teny nambaran’i Paoly fa rehefa navoakan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozana tao Egypta ny zanak’Israely dia nentiny namaky ny tany efitra . Voalazan’i Paoly eto tamin’ny nataon’ny olony Andriamanitra tamin’izany . Moa tsy fiainantsika va izany ? Mbola mandefitra amin’ny hadalantsika Andriamanitra . « Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy , hoy i Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny làlany ratsy mba ho velona izy ? » (Eze 18.23) . Fa izao kosa anefa : « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana , fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » (Asa 17.30)
2-Fantaro fa i Jeso no Mpamonjy
Asongadin’i Paoly amin’ny fanazavany eto koa fa fahizay dia navoakan’Andriamanitra tao amin’ny fanandevozan’i Farao ny olona fa ankehitriny kosa dia navotan’Andriamanitra tamin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’i Jesoa .Izy no Mpamonjy sy mpanafaka ny olona ankehitriny . »Indro ny zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo zao « (Jao 1.29) .Ny fandraisantsika an’i Jesoa dia mitondra antsika ho amin’ny famelankeloka ka hahatonga antsika tsy hanam-panenenana rehefa mby eny amin’ny rahon’ny lanitra Izy.
Fanontaniana:
Inona avy ny dingan atao eo am-piandrasana ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM