Toe-panahy  entina miandry ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Novambra 2022
Romana 15,7 - 12
7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)] 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana, 9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43). 11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).

 Toe-panahy  entina miandry ny Tompo

 “ Koa mifandraisa ianareo tahaka ny  nandraisan’i Kristy  anareo  koa ho  Voninahitr’Andriamanitra “ (and7)

1-Manaiky fa efa novonjeny 

Mety hanontany  tena isika hoe: tahaka  ny ahoana tokoa ny nandraisan’i Kristy ahy mba hahafahako mandray ny hafa? Ny valin’izany fanontaniana izany dia izao : « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy  antsika Kristy » (Rom 5.8) . Isika feno fahotana sy  faharatsiana no  noraisin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny zanany mpamonjy  antsika .Tsy  izay mety ho fahatsarantsika  na izay  mety ataontsika hoe : voninahitra no  handraisany antsika . Ny  marina dia ny maha-tsinontsinona antsika mihitsy no nandraisany antsika mba hanana ny toerantsika isika eo amin’ny toerana misy antsika . Hoy ihany I Paoly :” dia izaho , izay  mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika no mpampahory kanefa nahazo famindrampo aho …” 1 Tim 1.13) .vakio koa (Efes 3.8).

2-Manaiky  hifandray amin’ny hafa

Tahaka ny nandraisan’ny Tompo ahy sy ianao no tokony hifandraisantsika . Ianao  izay tsinontsinona sy mpanota no  noraisiny, dia aoka isika tsy hanilika ny namantsika noho izay fahalemeny fa handray azy . Ary tsy hoe: handray azy fotsiny fa hitondra azy eo amin’I  Kristy Jesoa . Fa raha nandray antsika I Jesoa dia tsy nanala antsika tao amin’ny fahotana fotsiny fa nitondra antsika ao amin’ny fiainam-pamonjena . “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray  afa-tsy amin’ny alalako”( Jao 14.6) . Ny fifandraisantsika amin’ny namantsika , eny na ny fahavalontsika aza no  mariky ny maha-zanak’Andriamanitra antsika “mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo… ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Mat 5.45)

Fanontaniana :

Nahoana isika no asaina mifandray amin’ny olona rehetra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM