Toe-panahy entina miandry ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Novambra 2022
Romana 15,7 - 12
7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)] 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana, 9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43). 11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).Romana 15. 7-12
Toe-panahy entina miandry ny Tompo
« Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra » (and.7)
1- Manaiky ny efa novonjeny
Mety hanontany tena isika hoe tahaka ny ahoana tokoa moa ny nandraisan’i Kristy ahy ahafahako mandray ny hafa? Ny valin’izany fanontaniana izany dia izao: « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 5:8). Isika feno fahotana sy faharatsiana no noraisin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany Mpamonjy antsika. Tsy izay mety ho fahatsarantsika na izay mety ataontsika hoe voninahitra no nandraisany antsika. Ny marina dia ny maha tsinontsinona antsika mihitsy no nandraisany antsika mba hanana ny toerantsika isika eo amin’ny toerana misy antsika. Hoy ihany i Paoly: « dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory: kanefa nahazo famindram-po aho… » (1 Tim. 1:13). Vakio koa Efe. 3:8.
2- Manaiky hifandray amin’ny hafa hovonjena
Tahaka ny nandraisan’ny Tompo ahy sy anao no tokony hifandraisantsika. lanao izay tsinontsinona sy mpanota no noraisina dia aoka isika tsy hanilika ny namantsika noho izay fahalemeny fa handray azy. Ary tsy hoe handray azy fotsiny fa handray azy ho tonga ao amin’ny Kristy Jesoa. Satria raha nandray antsika Jesoa dia tsy nanala antsika tao amin’ny fahotana fotsiny fa nitondra antsika ho amin’ny fiainam-pamonjena. « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako » (Jao. 14:6). Ny fifandraisantsika amin’ny namantsika eny na ny fahavalontsika aza no mariky ny maha zanak Andriamanitra antsika « mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo…ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina » (Mat. 5:45)
Fanontaniana: Nahoana isika no asaina mifandray amin’ny olona rehetra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM