Rehefa tahian’Andriamanitra ianao
Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Oktobra 2022
DEOTERONOMIA 6.10-19
DEOTERONOMIA 6.10-19
10 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao, 11 sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky, 12 dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 13 Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. 14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, 15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao. 16 Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. 17 Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. 18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy, 19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.Rehefa tahian’Andriamanitra ianao
1- Ny manadino Azy tsy mba fanao (and 10-19)
« … ary rehefa mihinana ianao ka voky dia mitandrema fandrao adinonao ny Tompo izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta » .Ao anatin’ny lahateny faharoa nataon’i Mosesy ny mofonaina anio .Teny izay nataony hampitandremana ny Zanak’Israely mba tsy ataony tahaka ny tahom-boanjo ny Tompo ka Izy nahitana indray no hakifika , izan y hoe: manjary tahaka ny filan-javatra fotsiny Andriamanitra , ka rehefa mahazo dia faly mahazo fa tsy te-hahalala Azy intsony .Efa nibedesan’i Jesoa ireo vahoaka nitady Azy noho ny nampihinanany mofo azy ireo io toetra io .Koa aoka isika izao tsy ho latsaka amin’izany kosa.
2-Ny sampy rehetra halaviro sy ialao
« ...aza manaraka izay andriamanitra hafa amin ‘ireny firenena manodidina anareo ireny » , hoy ny filazan’i Mosesy . nnAntintranteriny fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra velively ny manaraka volontany hanompo sampy , rehefa tonga any Kanana. Isika koa , aoka tsy ho mpanara-davahana ka izay ataon’ny hafa dia hironana avokoa . Aoka hahatsiaro fa manana Tompo mpamonjy isika , ka tsy handrorona amin’izay mety ho endrika sampy na inona na inona , na manao izany aza ny manodidina rehetra .
3-Ny làlana marina ihany no araho (and18,19)
« Ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ny Tompo mba hahita soa ianao ka hiditra handova ny tany soa izany nianianan’ny Tompo amin’ny razanao omena azy ». Taomina hahay hitondra tena araka ny sitrapon’Andriamanitra kosa ny olom-boavonjy eto ka hampifanaraka ny fitondrantena sy ny famonjena efa noraisina .Fankatoavana izany ary antoky ny fitahiana .
Fanontaniana:
Ahoana no tokony ho fiainan’ny olom-boavonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM