Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Oktobra 2022
1 Tantara 28,8-10
8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy. 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra
1 Mahatahiry ny lovany
«hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay» (and.8) Ao amin’ny Soratra Masina, dia mifamatotra amin’ny fiainan’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra ny tany. Tsy misy heviny ny iray raha tsy eo ny iray. Ka ny fitandremana sy ny fiainana ny didin’Andriamanitra no antoka hahazoan’ny vahoaka miazona sy miaina milamina eo amin’ny tany. Toy izany koa, raha tiana ny hiaina finaritra eo amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ho azy ny olona sy ny firenena dia tsy maintsy mitandrina ny didin’Andriamanitra. Ary izay efa nitandrina ny sitrapon’Andriamanitra tety an-tany no handova ilay tany maharitra mandrakizay homen’i Jesoa Kristy izay rehetra mino Azy
2 Manao ny asany
«Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà» (and.10). Nampahatsiahy an’i Solomona zanany ihany koa i Davida fa Jehovah no nifidy azy ho mpanjaka. Ary tsy izany ihany, fa Izy no nifidy an’i Solomona hanao ny Tempoly. Noho izany mitaky toe-po sy asa vita araka ny sitrapony Ilay Andriamanitra nifidy azy. Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra hatrany ny anaovana ny asa napetrany amin’ny olom-boafidiny. Tsy tokony hisy olona mahatsiaro fa Andriamanitra no nidy azy kanefa manao asa mifanohitra amin’ny sitrapon’Ilay nifidy azy. Amin’ny fotoana izay ahatsiarovan’ny olona fa Andriamanitra no nifidy azy, dia hanao ny asa araka ny sitrapon’Andriamanitra izy. Jesoa Kristy no nifidy antsika, vitao araka ny sitrapony ny asa nankinina taminao
Fanotaniana
Inona no sakana tsy iainanao ny didin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM