Ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Oktobra 2022
LIOKA 14.12-14
12 Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao. 13 Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; 14 dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.

Ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra

1-Miahy ireo madiniky ny Tompo

« fa raha manao fanasana ianao dia asao ny malahelo ,ny kilemaina, ny mandringa , ny jamba » (and 13)

Jesoa Kristy maneho ny anton’ny nahatongavany taty an-tany dia ny fiahiana ny mahantra sy ireo heverin’ny fiaraha-monina ho tsinotsinona .Mampianatra fomba fiaina mifanohitra amin’ny fomba fisainana, kolotsaina , fahazarana eo amin’ny fiarah-monina i Jesoa .Taomin’i Jesoa Kristy ny mpihaino ireny. Araka izany , ny mpino an’i Jesoa Kristy dia miahy ireny mahantra ireny , satria izany no takian’i Jesoa Kristy aminy . Aoka tsy ho variana mijery ireny olona izay efa manan-katao sy afaka mamaly soa anao ireny fa ampio ihany koa ireny heverin’ny fiaraha-monina ho madinika ireny .

2-Manantena valim-pitia any an-danitra

« Fa hovaliana kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina » (and14)

Nandrara mafy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay nanasa Azy hisakafo i Jesoa Kristy mba tsy hanasa ny sakaiza , ny rahalahiny , ny mpanan-karena sao ho voavaly ety an-tany ny nataony tamin’ireo nasaina ireo .Tsy miandry valiny ety an-tany ny mpino an’i Jesoa Kristy fa any amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy dia aseho amin’ny alalan’ny fanampiana ny madinika. Izany koa no toetran’i Jesoa Kristy sady itaomany ny mpino Azy ihany koa. Izay rehetra manana izany toetra tia ny mahantra, manantena valiny amin’Andriamanitra izany no handova ny fiainana mandrakizay. Koa manaova soa amin’ny mahantra ary aza mitaky valiny ety an-tany fa izany no ankasitrahan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana ny fihetsikao manoloana ireny mahantra ireny?