Miahy sy mikarakara ny olony ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Septambra 2022
ISAIA 40.1-11
1 [Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo; 2 Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany] 3 Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika. 4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka; 5 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. 6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha; 7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. 9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema] 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.

Miahy sy mikarakara ny olony ny Tompo

1-Mampahery

« Ampionony , ampionony ny oloko » (and1a) .Midika hoe : misento lalina,mangoraka,mampahery,miara-mitondra ny mavesatra ny teny fampiononana eto.Misento lalina ny Tompo manoloana ny fahababoana mihatra amin’ny olony .Adidin’ny Tompo ny zanany sy ny asan’ny tànany .

2-Mitory teny soa mahafaly

« Mitoria teny soa mahafaly » (and2) . Teny mipaka hatrany am-pon’ny olony no ambara eto . Teny soa milaza fanafahana sy famonjena , teny famelankeloka.Tsy mitahiry fahatezerana ny Tompo fa mamindra fo hatrany .

3-Mitondra fanavaozana

Manamboatra làlana , manandratra lohasaha , mampietry tendrombohitra sy havoana , manova ny tany saro-dàlana (and3-4) . Manana drafitra mazava hitondrana fanavaozana eo amin’ny vahoakany ny Tompo . Ny anjarantsika dia ny manaiky sy mandeha araka io lamina io . Jesoa Tompo Kristy io làlana sy fahamarinana manavao io .

4-Maneho ny voninahiny

« Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany  » (and 5). Ny hanehoana ny voninahitry ny Tompo no ao ambadiky ny fahoriana sy ny fiaretana ary ireo fizahan-toetra samihafa izay mandalo .

5-Marina amin’ny teniny

« Ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay » (and8).Tanteraka ary ho tanteraka hatrany izay voarakitry ny Tenin’ny Tompo .Teny tsy miova sady teny manova .

Fanontaniana :

Inona no hafatra ho an’ny firenentsika araka izao teny izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM