Ireo adidin’ny mpitory Filazantsara

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Septambra 2022

ROMANA 1.13-17

ROMANA 1.13-17
13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankat? aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra at? aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany. 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]

Ireo adidin’ny mpitory Filazantsara

1-Mampiroborobo ny fifandraisana hatrany

« tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy fa matetika aho no efa nikasa hankaty aminareo » (and13).Maniry fatratra ny hisian’ny fihaonana mivantana amin’ireo mpino any Roma i Paoly .Tiany ho hita mivantana ny vokatra azo tsapain-tànana noho ny asa fitoriana . Zava-dehibe ny fifanakalozam-baovao sy firotsahana mivantana .

2-Mikely aina hatrany

« ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra , ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho » .Tsy marina amin’ny asa fanompoana sy fitoriana ny filazana hoe : « Efa be izay vitako izay » .Trosa tsy ho voaloa na oviana na oviana ny nandatsahan’ny Tompo ny rany , izay mitaky antsika hijoro vavolombelona sy hitory Filazantsara hatrany hatrany .

3-Mazoto hatrany

« koa raha izaho dia mazoto hitory Filazantsara aminareo any Roma koa aho » (and15) .Mifampitohy amin’ny fahatsapan-tena fa mpitrosa ity resaka fahazotoana ity .Izay mahatsapa ny hasarobidin’ny famonjen’ny Tompo azy ihany no afaka hanana fahazotoana mitohy sy maharitra.

4-Mijoro vavolombelona hatrany

« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho , fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany , amin’ny Jiosy aloha vao amin’ny Jentilisa koa « . (and16) .Mijoro vavolombelona i Paoly fa ny Filazantsara dia sady mitaona ny hafa ho amin’ny famonjena no sady tena herin’Andriamanitra lehibe mitondra izany famonjena izany . Mbola maro ireo mila antsika hijoro sy hanafaka.

Fanontaniana :

Inona avy ireo adidy miandry ny mpitory Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM