Mpiray fanantenana isika

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Septambra 2022

ROMANA 15.30-33

ROMANA 15.30-33
30 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy, 31 mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema, 32 mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika. 33 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.

Mpiray fanantenana isika

« mangataka aminareo aho ry rahalahy …mba hiarahanareo miezaka amiko » (and30). Miara-mitolona omban’ny fanampian’ny hafa no hevitry ny hoe: miara-miezaka eto .Manana ezaka iombonana isika ka tsy misy afaka miolonolona fa mifanampy sy miara-miezaka .Jesoa aza mbola nanendry mpianatra hiara-.hiatrika ny fanompoana . Mizara andraikitra isika fa tsy miolonolona .

2-Miara miombom-bavaka

« …mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra ho ahy » (and30b) .Tsy afaka mitoky tena samirery ny mpitarika toa an’i Paoly fa mila ny fanampiana avy amin’ny Tompo ka ny vavaka avy amin’ny mpiara-manompo no anentanan’i Paoly eto .Mampahatsiaro antsika an’i Jesoa izay nitolona amam-bavaka fatratra mialoha ny hiatrehany ny hazo fijaliana izany .

3-Mifampizara izay mavesatra

Misy ny antom-bavaka mazava izay zarain’i Paoly eto : eo ny fiarehana ireo tsy mino any Jodia , eo ny vavaka mba hisian’ny fiombonana aina eo aminy sy ny mpianakavin’ny finoana , izay handray azy ary eo koa ny vavaka mba hisian’ny fihaonana am-pifaliana indray . Apetrak’i Paoly eo ambany fitantanan’Andriamanitra izany rehetra izany .

4-Mifampirary soa

Faranan’i Paoly amin’ny tsodrano firariantsoa izao hafatra izao .Fianarana ho antsika izany , fa mety hatrany ny mifampirary soa amin’ny mpianakavin’ny finoana (and33).

Fanontaniana:

Inona avy ny adidintsika amin’ireo mpiara-manompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM