Tanteraho ny asan’Andriamanitra.
Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Septambra 2022
Ezekiela 2,1 - 3,3
1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko] 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany. 4 Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo. 5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy. 6 Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra] 7 Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy. 8 Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao. 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy. 10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo. 1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.Tanteraho ny asan’Andriamanitra.
1.Satria izy no maniraka
Natanjaka ny antson’ Andriamanitra niantefa tamin’i Ezekiela: « Ry zanak’olona, mitsangana fa hiteny aho » (and 1). Niantso azy Jehovah ary tonga taminy ny Fanahiny. Izy Tompo no naniraka an’i Ezekiela (and 3) mba hanambara ny hafany amin’ny zanak’israely, ka hanao aminy hoe: « Izao no nolazain’i Jehovah Tompo ». Manambara ny tenany ny Tompo amin’ny maha- ambony indrindra azy. Fomban’i Jesoa koa ny miantso mpiara-miasa ka maniraka azy hanambara ny hafany, fa hoy izy: « Mandehana ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16.15). Isika no irak’ Andriamanitra hanambara ny vaovao mahafaly amin’izao fotoana ankehitriny izao.
2 Satria izy no mampahery
Raha maniraka an’i Ezekiela Jehovah dia nampahafantatra azy ny toetran’ny zanak Israely (jentilisa, mpiodina, zanaka mafy handrina, madi-po) ireo no namaritan’i Jehovah azy ireo. Noho izany, nampahery azy intelo Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny hoe: « Aza matahotra« . Ilain’i Ezekiela tokoa izany satria masiaka ny tontolo hanirahina azy, ary hiatrika fanoherana mivaivay izy. Tsy mora ny manantanteraka asa ao anatin’ny fanenjehana, hiaina ao anaty toe-javatra sarotra, hiady irery eo anantrehan’ny zava-manahirana. Ilaina tokoa ny fampaherezana, satria Jesoa dia efa nampiomana hoe: « Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena ». (Mar 13.13). Ataon’ny Tompo ny fampaherezana mba haharetantsika amin’ny asany. Mahareta havako!
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahatsapanao ny hasarobidin’ny asa nifidianan ‘ny Tompo aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM