Ny olona mikely aina amin’ny asa fitoriana
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Septambra 2022
SALAMO 71.14-24
SALAMO 71.14-24
14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. 15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. 16 Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. 17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. 18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. 19 Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? 20 Hianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay] 21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. 22 Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô. 23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao; 24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.Ny olona mikely aina amin’ny asa fitoriana
1-Dia resy lahatra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra
Marina sy tsy miova Andriamanitra .Hita izany eo amin’ny fitondrany ny olony . Voalaza eto fa hatrany am-bohoka (and 6) ary mandra-pahantitra (and9) .Mampahafantatra sy mampahatsiaro ny fahamarinan’Andriamanitra ny mpanao salamo . Maharitra amin’izany izy fa tsy amin’ny fotoana voafetra na mandalo ihany . Ho anao izay mikely aina amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara , mahareta amin’ny fahamarinana , aza miova .
2-Resy lahatry ny famonjen’Andriamanitra
Eo anoloan’ny herin’ny fahavalo dia asehon’ny mpanoratra ny salamo fa ao amin’Andriamanitra ihany no misy fiarovana ho azy . Afaka namonjy sy nanafaka Izy , ary mbola hanao izany mandrakariva eo amin’ny fiainan’ny mpanompony . Andriamanitra dia Andriamanitra mahery , mahavonjy ,tsy manam-paharoa,tsy misy toa Azy ( and 19) .Noho izany dia tsy tokony hisalasala izay mangataka famonjena sy fiarovana aminy . Noho ny famonjen’Andriamanitra koa dia midera sy mankalaza azy ny mpanao salamo .Azo antoka ny famonjena sy ny fiarovan’Andrimanitra ny olona izay matoky sy mialoka Aminy .Koa mahaiza mankasitraka sy mankalaza Azy. Fa mamonjy anao amin’ny fotoana rehetra Izy .
Fanontaniana:
Inona no maharesy lahatra sy nanosika anao hitory ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM