Tano ny finoana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Aogositra 2022

MATIO 18.1-6

MATIO 18.1-6
1 Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra? 2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany 3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika] 4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy. 6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.[*Na: ahodim-boriky]

Tano ny finoana

1- Maneke hiova tahaka ny zazakely

Ny fiovana takin’i Jesoa eto dia fiovampo miatomboka amin’ny fahatongavana tahaka ny zazakely : manetry tena , tsy mihambo,mora atoro, malemy,mahay mifanampy. Ny fiovam-po no vokatry ny fanekena hiova tahaka ny zazakely miaraka amin’ny fahatsarana , fatokiana,fifaliana sy fahagagana ,fiankinana ary fahaizana mamela heloka . Ny fandraisan’ny olombelona ilay famonjena omen’Andriamanitra ,izay tanteraka noho ny fahasoavana sy ny herin’ny Fanahy Masina ,raisina amin’ny finoana (Asa 11.18).Koa tano mafy ny finoana mba hananantsika fiovampo ao amin’ny Tompo .

2-Aoka tsy hahatonga fahatafitohinana ho an’ny hafa

Mety ho tafitohina isika noho izay ataontsika ihany . ohatra : varivariana ka tsy mijery làlana , fahatafitohinana avy amintsika izany , noho ny zavatra nipetraka tamin’ny làlana alehantsika , ary ny fahatafitohinana avy any ivelany matetika no mampienjera .Ny marina amin’ny hita maso dia tokony ho marina koa ara-panahy .Mety ho tafitohina daholo isika rehetra , ary mety hahatonga ny sasany ho tafitohina na hanota. Koa aoka hitandrina tsara .Tano mafy ny finoana anananao .Fa voasoratra hoe: « Fa na zovy na zovy no hanafitohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho raha hanatonana vato lehibe fikoseham-bary ny vozony ,ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy « .Koa tandremo àry izay atao mba tsy hanafitohina ny hafa .Tano mafy ny finoana .

Fanontaniana :

Inona avy ny akon’ny fiovana teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM