Jesoa Kristy manorina finoana vaovao
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Aogositra 2022
JAONA 10.31-42
JAONA 10.31-42
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy? 33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] 34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). 35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), 36 moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho? 37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. 38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray. 39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany] 40 Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy. 41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa. 42 Ary maro no nino Azy teo.Jesoa Kristy manorina finoana vaovao
1-Mampahatsiahy ny asa tsara nataony
Nanontany an’i Jesoa fatratra ny Jiosy raha Izy marina no Kristy . Raha namaly anefa Jesoa hatrizay dia tsy mba nino izay nolazainy ny Jiosy . Izany no nahatonga an’i Jesoa nilaza etsy amin’ny and 26 fa tsy mba isan’ny ondriny ny Jiosy . » Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (and30). Izany no nitarika ny Jiosy hitora-bato an’i Jesoa . Nampahatsiahiviny ny Jiosy anefa ny asa tsara nataony . Azony tsara ny nahatonga ny Jiosy hitora-bato Azy , satria mahalala tsara ny ao am-pon’ny olona Izy . Jesoa no nanasitrana ilay lehilahy narary 38 teraka jamba (Mat 9) sy ilay lehilahy narary 38 taona (Mat 5) .Raha ny asa nataony dia tsy misy antony tokony hitoraham-bato Azy .
2- Manambara ny fifandraisany akaiky amin’Andriamanitra
Antitranterin’i Jesoa hatrany anefa ny fifandraisany amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa izay efa nataony . Andriamanitra Ray no naniraka Azy hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao . Fa voasoratra hoe : »Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana,tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako »(Jao 14.6) .Ny finoana an’i Jesoa irery ihany no antoky ny famonjena. Izany anefa no olan’ny Jiosy. Fantatr’i Jesoa tsara anefa fa tsy haharesy lahatra azy ireo ny teny izay nolazaina , ka nohamafisiny amin’ny asa izany . Izany no nahatonga Azy hilaza hoe : « minoa ny asa mba ho fantatrareo sy ekenareo fa ny Ray no ato amiko ary Izaho ao amin’ny Ray » (and38). Vokatr’izany asa izany no naneken’ny olona sasany nihaino an’i Jesoa fa tsy olon-tsotra no nahavita ny asa .Tena asan’Andriamanitra tokoa ny asam-pamonjena . Efa namonjy ny olona voafidiny Izy hatrizay .Ny fandraisany an’i Jesoa eo amin’ny fiainana anefa dia mahatonga fahariana vaovao ka hahafahantsika mijoro amin’ny finoana Azy ,finoana matanjaka , finoana tsy voahozongozon’ny fampianaran-diso maro samihafa .
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiorenan’ny finoanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM