Aoreno ao amin’i Jesoa ny finoana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Aogositra 2022
Lioka 10,16-20
16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. 17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.

Aoreno ao amin’i Jesoa ny finoana

1 Dia hahavita asa lehibe ianao

Fomba fiasa vaovao no hita taratra amin’ny fanirahan’i Jesoa ireto fitopolo lahy ireto. Endrika Tafika Masina lehibe no nataony. Nandritra ny iraka dia naneho ny firaisany amin’ireto irany Izy : «Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy» (and.16), ary ny firaisany amin’Andriamanitra ihany koa : «ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy». Mandrakariva dia asehon’i Jesoa izany firaisany amin’Andriamanitra izany. Rehefa vita ny asa dia niverina tamin’ny fifaliana izy ireo ka nanao hoe : «Ary ny fitopolo lahy niverina tamin’ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao» (and.17). Nahomby ny asa satria nahery finoana izy ireo. Satria ny anaran’i Jesoa dia manam-pahefana hahavitana asa lehibe. Manamafy izany koa ny Tenin’ny Soratra Masina hoe : «Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.» (Kol.3,17)

2 Hahazo valim-pitia lehibe ianao

Raha maniraka i Jesoa dia manome fahefana. Maneho izany fa Izy no Tompon’ny asa fa tsy ny olona, ary Izy ihany no manana fahefana ka manome izany ho an’ny mpianany mba hahafahan’izy ireo manao ny asa. Fifaliana ho an’ny fitopolo lahy ny nahazoana vokatry ny asa satria nahomby, saingy nafaran’i Jesoa izy hoe : «Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo» (and.20). Hafa mihitsy ny zavatra nolazain’i Jesoa. Toa mifanohitra amin’ny fiainantsika. Entina milaza izany fa aza mifaly amin’ny fandresena ety antany izay mety handalo ihany, fa ny fibanjinana ny mandrakizay no tokony hifaliana ary hatao laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana. Isika ihany koa, rehefa mahazo vokatra tsara dia mifalia ao amin’Andriamanitra, fa ao Aminy no misy ny tena fifaliana maharitra mandrakizay.

Fanontaniana

Efa nomena anao ny tsiambaratelon’ny fahombiazana amin’ny asa lehibe. Vonona ny hampihatra izany amin’ny fiainanao ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM