Eto dia miatrika ady ara-panahy ny kristiana. Tsy afaka hiatrika izany ny mpino raha tsy Andriamanitra no manome izay ilaina rehetra
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Aogositra 2022
Efesiana 6,14-20
Efesiana 6,14-20
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]Eto dia miatrika ady ara-panahy ny kristiana. Tsy afaka hiatrika izany ny mpino raha tsy Andriamanitra no manome izay ilaina rehetra
Ny miaramila hiady dia manana fitafiana voatokana ho amin’izany. Tsy ambaka ny amin’izany Andriamanitra ka manome ireo tokony hisaloran’ny mpino Azy ho fiarovana.
– Amin’ny valahana, ny fahamarinana (and.14a). Ny fehikibo dia hamehezana ny fitafiana mba tsy hanelingelina sy hamatorana ny sabatra. Fahavononana tanteraka hanatrika ny ady
– Ho fiarovan-tratra, ny rariny (and.14b). Ny fiarovan-tratra izay natao hiarovana ny taova saro-pady sy ny fo
– Eo amin’ny tongotra, ny fahavononam-panahy (and.15). Ny fahavononana hitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy no takiana eto. Ady sarotra no tsy maintsy hatrehin’ny mpino. Ka noho izany, izay rehetra ao amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy misalotra ireo fitafiana ireo ho fiomanana
Tsy mijanona teo amin’ny fanomezana ny fomba fitafy ara-panahy fa manome ny fitaovam-piadiana ihany koa.
– Ampinga, ny finoana (and.16) : ilaina tokoa izany mba hahazoana hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Fetsy ny ratsy ka mitady ny fomba rehetra entina handavoana ny mpino. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fihazonana izany no fitaovana entin’ny mpino mandresy izany
– Fiarovan-doha : ny famonjena (and.17a) : ny famonjena dia ny nanafahan’Andriamanitra antsika tamin’ny fahotana. Famelana ny helotsika
Sabatra ny tenin’Andriamanitra (and.17b) : Ny tenin’Andriamanitra no fitaovana mahery vaika entin’ny mpino miady, satria «Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.» (Salamo 119,105)
Mba mpino tsara omana ve ianao raha manoloana ady?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM