Fototry ny finoantsika Kristiana ny fitsanganan’ny maty
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Aogositra 2022
1 Korintiana 15,12 - 23
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? 13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. 21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. 22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. 23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.1 Misy milaza fa tsy misy ny fitsanganan’ny maty
Misy fampianarana hafahafa maro isan-karazany miparitaka eny amin’ny fiarahamonina sy eny amin’ny fiainam-piangonana ka mahakasika ny finoana mihitsy izany. Eto dia ny tsy fanekena ny fitsanganan’ny maty no anton-dresaka izany hoe naparitaka ny fampianarana hoe tsy misy izany fitsanganan’ny maty izany
2 Mampitandrina ny mpino i Paoly :
- Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy nitsangana nefa Kristy nitsangana no votoatin’ny toriteninay koa raha tsy natsangana Izy dia mampiresaka fotsiny izahay nitory teny taminareo, tahaka ireny mitantara angano fotsiny ka manao izay handaniana andro fotsiny ihany
- Tsy misy antony koa ny finoanareo satria izany fitsangan’ny maty izany indrindra no fototry ny finoana kristiana
- Azo lazaina ho vavolombelona mandainga avokoa ireo apôstôly nilaza ho nahita an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty. Satria Izy no santatr’izany
- Ny tena mampalahelo dia mbola mitoetra ao anaty fahotana hatrany ny Korintiana (na ny mpino rehetra koa) satria ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no nandreseny ny fahotana izay nanome fiainam-baovao ny mpino Azy rehetra
- Ireo mpino efa maty tany aloha rehetra dia tsy hanana finoana hitoetra eo anilan’ny Tompo fa ho very faty mandrakizay
3 Efa nitsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy
Manàna finoana fa nandresy ny fahafatesana i Kristy ho santatr’izay efa nodimandry rehetra. Nahafantatra sy nahafehy ny fahafatesana Izy, natao ota Izy ho an’ny mino Azy, ary ny fandreseny ny fahafatesana dia mandrakizay (Apo.1,18)
Fanontaniana
Porofoy fa fototry ny finoantsika Kristiana ny fitsanganan’ny maty ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM