Mbola misy tokoa ve ny olona mampifangaro fivavahana ?

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Aogositra 2022
1 Mpanjaka 18,21 - 39
21 Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory. 22 Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy. 23 Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao. 24 Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany. 25 Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao. 26 Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy. 27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina. 28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin'ny tenany. 29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory. 30 Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava 31 ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao; 32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy* voan-javatra indroan'ny famarana**. [*Na: mahalany][**Heb. sea] 33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo, 34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. 35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely. 36 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. 37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. 38 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. 39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.

1 Manao fampifangaroam-pivavahana ny olona

Miroa saina ny olona amin’ny fanompona an’Andriamanitra fa sady manompo an’Andriamanitra no manompo an’i Bala ihany koa. Tsy eken’Andriamanitra anefa izany saria fahotana. Halan’Anadriamanitra ny fampifangaroana Azy amin’ny hafa koa mila misafidy ny olona : raha Jehovah no Andriamanitra dia manaraka Azy ny olona, raha i Bala kosa dia manaraka azy (cf.Jos.24,14-15). Eto dia tsy manan-kavaly ny olona. Ary ianao ?

2 Vitsy ireo manolo-tena hanompo an’Andriamanitra raha ny isa omena eto no iaingana

Mahavariana ny fandrenesana ny filazana isa eto : 450 ireo mpaminan’i Bala fa iray monja ny mpaminanin’i Jehovah. Raha ny lojikan’ny fiainan’ny olombelona no jerena dia tsy mifandanja velively ireo isa ireo satria tokony mahavita zavatra be lavitra ny 450 noho ny iray monja. Naseho kosa anefa eto fa tsy ny fahamaroana akory no inona na ny fihetsiketsehana sy ny fombafomba koa fa ny hery sy ny fahefan’andriamanitra. Naseho teto fa tsy mahavita ary tsy mahefa na inona na inona akory ilay Bala (andriamanitra hafa) fa ny sain’ny olona fotsiny no mamorona izany. Ankilan’izay kosa tena misy, velona, mamaly ny filan’ny olona ary manana hery sy fahefana tsy hita fetra ilay Andriamanitra Ray Tsitoha izay torian’i Elia mpaminany eto.

Nambara tamintsika ity toe-javatra ity mba hieritreretan’ny kristina, handinihin-tena amin’izay atao rehetra satria tsapa fa mbola maro no manao izany fampifangaroam-pivavahana izany, toy ny hoe sady mivavaka amin’Andriamanitra no mivavaka amin’ny razana fa raiso kosa ary ny teny hoe eto : « Jehovah, Izy no Andriamanitra »

Fanontaniana

Mbola misy tokoa ve ny olona mampifangaro fivavahana ?

Sampana SekoLy Alahady FOIBE FJKM