Ny mampiavaka ny olon’ny finoanana :

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Aogositra 2022
1 Samoela 17,25 - 37
25 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy. 26 Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona? 27 Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy. 28 Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina et?? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao et?. 29 Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa? 30 Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray. 31 Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy. 32 Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io. 33 Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany. 34 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, 35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. 36 Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy. 37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.

« Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io » 

Ny mampiavaka ny olon’ny finoanana :

1- Mamantatra ny zava-misy marina.

Tsy mitovy ny fahitan’i Davida an’i Goliata sy ny fahitan’ny besinimaro ity farany. Ny fahitan’ny olona an’i Goliata dia olona lava ranjanana, hoy ny DIEM hoe:  » dia nisy rapeton’olona nirefy tokony ho 3 metatra ny halavany », olona tsara fiarovana hatrany an-tampon-dohany izy io, fa amin’i Davida kosa dia tsinontsinona io satria lehilahy tsy mifora, lehilahy tsy miaraka amin’Andriamanitra velona, noho izany tsy misy tokony hatahorana an’io. Nandresy ny tahotra tanteraka i Davida.

2- Mahafantatra ny halehiben’ny Tompony. 

Efa namonjy ahy tao amin’ny sarotra ny Tompoko ary mbola hamonjy ahy ihany Izy. Jesoa Kristy dia nanome toky antsika hoe: « Matokia fa izao efa naharesy izao tontolo izao » (Jao.16:33). Ny fahafantarana ny fahalebiazan’ Andriamanitra no nahatonga ireo olo-malazan’ny finoana nanana fahasahiana hisedra ny sarotra. Izy no Andriamanitra Tsitoha. Andriamanitra velona. Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

3- Matoky ny Andriamanitra ivavahany 

Ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra sy ny fiarovany no niatrehany am-patokiana ny liona sy ny bera izay biby tena mpandringana sy matanjaka. Ny fahafantaran’i Davida ny Andriamanitra ivavahany dia tsy nijanona ho toy ny lesona ianarana any an-tsekoly ka fantatra amin’ny antsipirihany saingy tsy hiainana akory sanatria. Paoly dia sahy nijoro tamin’ny teny sy ny asa arak any fanambarány hoe: « Fantatro izay inoako » (2Tim1, 12).

Fanontaniana: Nahoana i Davida no vonona hifanandrina amin’i Goliata?