Manao ahoana ny fahazotoantsika Kristiana mifampahery sy mifamangy?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Jolay 2022
Romana 1,1 - 12
1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina] 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery] 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.

Rehefa mijery ny fomba fanoratr’i Paoly sy no fomba filazany eto amin’ ity fitarihan-teny ataony ato amin’ny epistily ho an’ny Romana isika dia mahatakatra fa tena zava-dehibe:

1- Ny fahaiza-mampahery (and. 8)

« Misaotra an Andriamanitro…aho noho ny aminareo rehetra satria efa re eran’ izao tontolo izao ny finoanareo ». Aty am-piandohana ny apostoly dia maneho fa mankasitraka ny Romana noho ny amin’ny fiorenan’izy ireo amin’ny finoana. Tsy hoe niorina tsara fotsiny ihany fa nanjary re eran’izao tontolo izao mihitsy izany finoana izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tonga faka-tahaka sy irin’ny hafa ny finoan’ ny Kristiana tao Roma.

Ny zava-dehibe eto dia ny fahaizan’ny Apostoly maneho fa nahavita dingana lehibe ny mpino ka mendrika amporisihana handroso bebe kokoa hatrany, ary tena fandrisika tsara dia tsara ny filazany hoe « Misaotra an’ Andriamanitro…noho ny aminareo ». Taomina ihany koa isika, indrindra ny tomponandraikitra, mba hahay hankasitraka sy handrisika izay miorina tsara sady mahavita be fa hery lehibe ho an’izy ireny izany!

2- Ny fanehoam-pitiavana (and 11)

« Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina ianareo ». Tsy ny fandrisika ihany no nataon’i Paoly fa abaribariny eto koa ny fitiavany ny Fiangonana sy ny Kristiana tao Roma ka mahatonga azy hilaza mihitsy hoe: « maniry » hihaona amin’izy ireo izy sady mbola mikasa ny hizara fahasoavam-panahy ihany koa. Fanehoam-pitiavana lehibe izany! Ary hita amin’izao tokoa fa nianatra tamin’i Jesoa i Paoly! Ianao koa. mahaiza re maneho fitiavana e!

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fahazotoantsika Kristiana mifampahery sy mifamangy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM