Ny tena mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Jolay 2020
2 MPANJAKA 6.1-7
2 MPANJAKA 6.1-7
1 [Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao. 2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo. 3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho. 4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo. 5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy] 6 Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky. 7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.Ny tena mpanompon’Andriamanitra
1-Tsy sarotra iaraha-monina (and1-4)
Rehefa nilaza tamin’i Elisa ny zanaky ny mpaminany ( tsy zanaka nateraka akory fa ny mpianatry ny mpaminany ) fa tery ny toerana nametrahana azy ireo tao amin’i Elisa ka mangataka hankany Jordana hanao trano any izy ireo dia am-pahatsorana no namalian’i Elisa hoe: « Mandehana àry ianareo« .Tsy izany ihany fa nangatahan’ny mpianany koa izy mba hiaraka amin’izy ireo dia tsotra ny teniny : »handeha ihany aho » ,tsy mba sarotra atonina na sarotra ifandraisana i Elisa na dia izy aza no mpampianatra . I Jesoa dia toy izany koa , tsy mba nanahirana ny olona ny nanatona azy sy nitaraina taminy fa noraisiny tsara avokoa ny sokajin’olona rehetra .Ianao koa, mpanompon’Andriamanitra , koa aoka ho olona tsotra sy azo ifampiresahana ka tsy hiferina aina ny olona hanatona anao fa sao hoe mahazo « teny gasy » na avonavona na fanambaniana.
2-Mamonjy izay tra-pahasahiranana (and5-7)
Rehefa teo am-piasana i Elisa sy ny mpianany dia latsaka tao anaty rano ny lelam-pamakin’ny anankiray tamin’izy ireo ka nitaraina tamin’i Elisa izy ary nitsotra fa famaky nindramina iny .Izany hoe: tsy maintsy averina . Ny mpianatry ny mpaminany koa anefa tsy dia manan-katao loatra na mpanam-bola matoa nindrana .Fa mahavariana ny fahatsorampo sy ny fahavononan’i Elisa hamonjy azy : « taiza no nahalatsahany ? » ary dia nampiasa ny fanomezam-pahasoavany i Elisa hamonjena ny mpianany dia nitsikafona tambonin’ny rano ny lela-famaky. I Jesoa dia toy izany koa : meteza ho mpamaha olana , ary aoka ho be fitiavana , ho velona ho an’ny hafa .
Fanontaniana :
Mpanompon’Andriamanitea manao ahoana àry ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM