Manao ahoana ny fahitanao ny mpitaiza ara-panahy fantatrao ?

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Jolay 2022
1 TIMOTY 1.12-17
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. 17 Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Anankiray amin’ny soratr’i Paoly Apostoly izay antsoina hoe : « Epistily Pastoraly » ity nosoratany ho an’i Timoty ity , mitari-dàlana , manoro hevitra ary mampahery ity farany eo anatrehan’ny anjara fanompoana miandry azy .Azontsika takarina avy amin’ny perikopantsika ity ary fa ny raiamandreny tsara dia :

1-Modely amin’ny fahamarinana (and15)

« …ary amin’ireny , izaho ny lohany  » hoy i Paoly raha milaza ny tenany izy . Asehony amin’izany fa tsy mba mamboamboatra ny endrika ivelany izy ary tsy mihatsaravelatsihy fa ny marina no ambarany .

2-Modely amin’ny fahazoana antoka ny famonjena (and16)

« kanefa izao no namindrana fo tamiko » hoy hatrany ny Apostoly . Azo takarina amin’izany fa izy dia mahatsapa fa olona nahazo famindrampo be dia be tamin’ny Tompo raha oharina amin’ny lasany ny ankehitriny . Izany hoe: tena sahiny hitompoana fa efa olom-boavonjy izy satria efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy.

3-Modely amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra

« Ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay » . Asehon’i Paoly fa ny zavatra rehetra dia tsy natao hitadiavana tombon-daza na tombotsoa manokana fa natao hanomezana voninahitra an’Andriamanitra ihany .Amintsika Protestanta dia anankiray amin’izay ijoroantsika ny hoe : « Soli Deo Gloria » ( Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra)

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fahitanao ny mpitaiza ara-panahy fantatrao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM