Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Jona 2022
2 Tantara 13,4 - 18
4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra: 5 Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira. 6 Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony. 7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. 8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo. 9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra. 10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany; 11 ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy. 12 Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo. 13 Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. 14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra. 15 Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda. 16 Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany, 17 ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina. 18 Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Niady i Abia mpanjakan’i Joda sy Jeroboama mpanjakan’Isiraely. Hitantsika ao anatin ity tantara ity fa
1- Mamonjy izay mila vonjy Aminy Andriamanitra
Eo amin’ny and 14 dia voalaza fa voahodidin’ny fahavalo Abia sy ny miaramilany . Noheverina fa tsy ho tafavoaka intsony izy . Nitaraina tamin’i Jehovah izy ireo ary handray andraikitra Andriamanitra. Voambara mihitsy aza eo amin’ny and 15 fa Andriamanitra no niditra an-tsehatra namely ny an i Jeroboama sy ny Isiraely, Rehefa tojo zava-tsarotra isika ka miantso an’ Andriamanitra dia mandray andraikitra Izy. »Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao » (Sal 50.15)
2- Mandresy izay miaraka Aminy
Samy vahoakan Andriamanitra na ny Isiraely, tao amin’ny fanjakana Avaratra na ny Joda tao amin’ny fanjakana Atsimo. Fa niavaka eto ny Joda satria niantso sy nifikitra tamin Andriamanitra, eny nisafidy hiankina Aminy. Tsy voatery ho any ivelany ny fahavalonao fa mety eo akaiky ihany koa. Izay ampianarin’ny Tompo aminao anio dia izao : Tsy ataon’Andriamanitra zava-bitika ny fiankinanao Aminy. Ary izany no hametrahantsika ny fiainantsika amin’i Jesoa satria raha Izy no momba antsika dia tsy hisy hahatohitra antsika (Rom 8.31)
Fanontaniana
Inona no andrasanao ka tsy hiantsoanao Azy ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM