Herin’ny ranomaso
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Jona 2022
Lioka 7,36 - 50
36 Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. 37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; 38 ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra, 39 Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. 40 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. 41 Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. 42 Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra? 43 Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. 44 Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany. 45 Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. 46 Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. 47 Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana. 48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. 49 Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? 50 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.Herin’ny ranomaso
« Ary nijanona feo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany. dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany... » (Lioka 7.38)
Vehivavy manao ahoana loatra ity voalaza eto ity? Eo amin’ny and.39 no mamaly izany vehivavy mpanota ary efa fanta-poko fanta-pirenena. Nitomany izy! Tomany na ranomaso Ny tomany na ranomaso dia fanehoana alahelo na sorisory na koa fitiavana mivaivay na hafaliana tafahoatra, izany hoe vokatry ny fihetseham-po ny tomany sy ranomaso. Eto raha ny zava-misy no jerena dia vokatry ny fahatsapana ny fitiavan’i Jesoa .Vavaka sy ranomaso : Fomba iray anehoana ny ao am-po lalina rehefa mivavaka ny ranomaso. Ny sento lalina ao am-po rehefa mivavaka ka toa voaloatra ny aty fo rehetra no anton’ny tomany. Raha vavaka fisaorana dia lahatsapana lalina ny Fitiavan’i Kristy satria tsy misy mendrika ny fanavotany na iray aza. Raha fitarainana dia fahatsiarovana an’i Kristy nijaly noho ny fahotantsika fony Izy tao Getsemane. Jesoa koa efa nitomany teo am-pivavahana (vakio Heb 5.7)
Fanontaniana:
Fantatrao ve fa mitomany Jesoa mahita anao manota?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM