Efa nivavaka ho an’ny Malagasy ve ianao androany?
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Jona 2022
Efesiana 1,15 - 23
15 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)] 16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara, 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina, 19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany, 20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa, 22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.Mampanjaka ny fahefany ny Tompo Paoly, mahatsiaro amin’ny fivavahany ho an’ireto Kristiana tao Efesosy ireto mba hanomezan’i Jesoa Kristy ny fanahin’ ny fahendrena azy ireo..
1- Andeha isika hifampivavaka (and. 15-17)

Amin’izao fetim-pirenena izao, izay fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, dia manentana antsika hifampivavaka ihany koa izao Soratra Masina. Efa maro loatra ny zava-mafy nanjo ity tanintsika ity. Tao ny valan’aretina, ny hain-trano, ny hain-tany, ny rivo-doza nifanesy izay miteraka tsy fahampian-tsakafo sy nanakorontana ny asa fiveloman’ny maro. Koa andeha hifampivavaka hahazoan’ny Malagasytsirairay avy ny fanahin’ny fahendrena
2- Andeha hahiratra ny maso (and. 18)

Variana amin’ny Jiro maro loko isika rehefa fety ny andro. Fa anio dia asain’Andriamanitra ahiratra ny mason’ny saintsika mba hahafantarantsika ny fanantenana avy amin’ny fiantsoana. Ny olana mantsy dia mifoha avokoa izao karazam-panompoana natao fahizay tamin’ny andron’ny tsy fahalalana rehetra izao rehefa fetim-pirenena. Ny halehiben’ny herin’i Jesoa dia ho antsika izay mino. Koa aza avily ho amin’ny zavatra hafa ny masontsika.
Fanontaniana:
Efa nivavaka ho an’ny Malagasy ve ianao androany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM