Mampanjaka ny fahefany ny Tompo »Matokia anaka; voavela ny helokao »
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Jona 2022
Matio 9,1 - 8
1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany. 2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao. 3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na mihambo hanana izay fomban'Andriamanitra] 4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony. 8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
« Matokia anaka; voavela ny helokao »
Voalazan’ny Soratra Masina hoe: « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo. ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59.2)
Tafasaraka amin’Andriamanitra ny mpanota, ka tsy misitraka ny fitahiany ary lavitra ny famonjeny. Amin’izao ankatoky ny Fetim-pirenena izao dia io no Teny feno fitiavana atolotr’Andriamanitra ho antsika. Na dia misy aza ny efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia Izy Andriamanitra mihitsy no manambara amintsika ankehitriny fa tokony hatoky azy isika satria mamela ny helotsika Izy. Izy mihitsy no tonga mamitram-pihavanana amintsika araka ny voalazany hoe: »Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 5.8) satria tsy tiany ho faty amin’ny faharatsiantsika isika. « Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo. fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy? » (Eze 18.23)
Fanontaniana :
Amin’izao ankatoky my fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantena izao dia maniry ny fahafahana amin’ny ota ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM