Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Jona 2022
Lioka 4,31 - 37
31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. 32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. 33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy 34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. 37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Ity tantara ity dia maneho ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa

1- Mampivoaka ny ratsy miafina

Nampianatra tao amin’ny Synagoga i Jesoa araka ny hita eto. Voalazan’i Lioka ao anatin’ity fitantarany ity fa talanjona ny olona tamin’ny fampianarany izay nisy fahefana. Vokany dia nisy olona nanana ny fanahin’ny demonia izay niantsoantso satria tsy tafatoetra ny demonia tao anatiny. Hay na ao am piangonana aza dia mety hisy olona manana demonia. Koa raiso tsara ny Teny omen’ny Tompo antsika mba tsy hahatamana ny demonia milafidafika ao am-pontsika ao.

2- Mandroaka ny fanahy ratsy

« Mangina ianao ka mivoaha aminy« , hoy Jesoa tamin’ny demonia. dia indro niala tamin’ilay lehilahy ny fanahy maloto. Dia talanjona fanindroany indray ireo nanatrika noho ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan ireo asa nanirahana an’i Jesoa ny handrava ny fahefan’ny Devoly eo amin’ny fiainantsika (vakio 1 lao 2.8). Mba hahatonga antsika hahatsiaro ny hatsaran’ny Fanjakan ‘ Andriamanitra dia tsy maintsy mandalo ady amin’ilay ratsy isika. Ny Tenin’ Andriamanitra no sabatra entintsika mandresy izany.

Fanontaniana:

Efa nandramanao ve ny fahatsaran’ny Tenin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYzaxCeL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (44172) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20220621' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.