Ny fahefan’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Jona 2022

MARKA 9.14-29

MARKA 9.14-29
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho et? aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].

Ny fahefan’i Jesoa Kristy

1-Mandresy ny Fanahy maloto (and25-27)

Fanahy ratsy moana sy marenina no tao amin’ity zazalahy ity . Efa nisy fotoana ihany ny rain’ity zazalahy ity nandre ny amin’i Jesoa namoaka fanahy maloto.Sendra tsy teo anefa Jesoa ka ny mpianany no nitondran’ilay rainy ilay zazalahy , saingy tsy sitrana ilay demoniaka .Fanahy maloto moana sady marenina ity fanahy maloto ity ka tsy afaka tamin’ny fandroahana devoly. Fa ny torohevitra nomen’i Jesoa ny mpianatra dia ny vavaka sy ny fifadian-kanina .Mila finiavana , faharetana, fahazotoana izany . Tsy mbola nisy siantifika teto amin’izao tontolo izao na olon-kendry ihany ka nahavita nandroka ny fanahy maloto, zavatra tsy hainy ary tsy ho voafehiny mihitsy izany fa Jesoa Kristy Tompontsika anefa mahery noho izany .Mahery ny Andriamanintsika .

2- Manova ny zotram-piainan’ny olona (and21)

« Hatry ny fony izy mbola zaza« , izany hoe : vao manomboka ny tantaram-piainany dia efa teo ambany fahefan’i satana sahady ny zotram-piainan’ ity zazalahy ity .Efa nandevozin’ny satana ary tsy hiala izy mandra-pahafatiny .Satana no manampatra fahefana aminy .Fa indro tonga i Jesoa , famonjena hitan’ny rainy hanafaka azy amin’ny fahefan’i satana. Resin’i Jesoa satana , afaka ilay zazalahy .Raha efa hitanao fa iharan’ny fanaparam-pahefana ataon’i satana ny fiainanao , aza adinoina fa manana fahefana handresy azy i Jesoa Kristy Tompontsika .Hainy tsara izany ka meteza ho afaka e!

Fanontaniana :

Misy mampahory am-panahy anao ve? Iza no vaha-olana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM