Ianao ve manana finoana sy fanantenana fa afaka manova ny fon’ny olona Jesoa ?
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Jona 2022
Jaona 20,19 - 23
19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.1- Manana fahefana hanafaka ny fahoriam-panahy ny Tompo (and 19, 20)
Mbola feno tahotra sy fisalasalana ny mpianatra ary mbola manampy trotraka izany ny fahatahorana ny jiosy mpiara-monina ary nihetraketraka tamin’ny Tompony. Fahoriam-po sy fanahy lalina loatra anie izany ry havana e! Mafy izany! Fa endrey izany fitiavan’i Jesoa azy ireo, ao anatin izany indrindra no tonga i Jesoa, niteny hoe : « Fiadanana ho anareo » Noporofoiny fa velona tokoa Izy. Mahagaga ny niseho fa nanjary nanana hafaliana tao am-pony ny mpianatra. Ry havana, ny fahefan’i Jesoa Kristy dia tsy hoe : ety ivelan’ny olona ihany no tratrany fa ny any anaty ihany koa. Na iza mahay zava- mahagaga dia tsy mahay mikitika ny ao anaty toy izany fa Jesoa ihany no mahay manome fiadanam-po sy fanahy ao anaty toy izany .
2- Manana fahefana hanangana indray ny olony ho olona velon’ny finoana sy ny fanantenana ny Tompo (and 22, 23)
lo fofon’ain’i Jesoa io dia aina nomena ireto mpianatra ireto hitsangana, hitraka ao anatin’ny tahotra. Izany fofonaina nanone aina indray ny mplanatra izany dia ny Fanahy Masina, izay fanomezana tsara indrindra ho an’ny Kristiana. Raha niakatra ho any an-danitra i Jesoa dia tsy nampanantena fanomezana ara-materialy ho an’ny mpianatra fa fanomezana hery sy fo sy fanahy . lo no harena ho an’ny Kristiana. Koa raiso ny Fanahy Masina, fa io no harena sarobidy ho antsika Kristiana . Sarobidy mihoatra noho ny zavatra hafa heverina ho manan-danja.
Fanontaniana
Ianao ve manana finoana sy fanantenana fa afaka manova ny fon’ny olona Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM