Andriamanitra Mpahary no mahafehy izao tontolo izao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Jona 2022
MARKA 4.35-41
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?

Andriamanitra Mpahary no mahafehy izao tontolo izao , ary na dia miezaka aza ny olombelona dia tsy hahafehy mihitsy .Ohatra amin’izany ny rivodoza. I Jesoa ihany no mahafehy ny voahary manontolo satria

1-Manana fahefana amin’ny zava-boahariny Izy

Niteny mafy ny rivotra i Jesoa dia nangina tokoa ny rivotra sy ny ranomasina .Gaga ny mpianatra hoe: « tena mahery izany« (and39). Fa tena mahery ny Tompo satria Tompon’ny fahefana amin’ny zava-boahariny Izy .Izy no namoronana izao rehetra izao araka ny teny izay hitantsika ao amin’ny Jaona 1.3/ »Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza  » Mahery Izy e! Izany no Tompontsika ka tokony ho faly manana Azy isika olony .

2-Mamela ny mpianany hiatrika ady indraindray (and 38d)

Efa fantatr’i Jesoa ny hitranga , kanefa dia natory Izy teny an-dàlana ary tsy nifoha mihitsy raha tsy nofohazin’ny mpianatra , satria efa vaky ny sambokely.Mba manana fahefana amin’ny toy izany koa Izy .Tsy voatery hoe : tsy hisy haninona ny olony .Fa mba tiany raha mba mampiasa ny finoana ananany ny mpianatra.Fa tsy hiandry Azy , satria mba natory Izy . Ka moa ve tsy manana fahefana hatory koa Izy.Eny , tena manana Izy .Toy izany koa isika : misy fotoana mba havelany ho tojo zava-tsarotra kely , saingy asainy mahaleo tena kely isika e! Ampiasaina araka izany avy hatrany ny finoana izay mampiavaka antsika amin’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Efa nandalo vanimpotoana toy izany ve ianao , toy ny tsy mahita ny fahorianao izany Izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYcTLyUL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (44156) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20220604' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.