Mpino tarihin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Mey 2022
Asan'ny Apostoly 11,19 - 26
19 [Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20 Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa* koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [* Gr. Grika; na Helenista] 21 Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo. 22 Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. 23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra. 24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo. 25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly. 26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.Mpino tarihin’ny Fanahy Masina
Ny asa fanompoana notanterahin’i Barnabasy tany Antokia no hitantsika eto. Barnabasy nanana ny Fanahy Masina nitarika azy tamin ny fanompoana ny Tompo
1- Mampiorina tsara ny hafa
Noho ny fanenjehana nahazo ny Fiangonana dia niely tamin’ny faritra maro ny mpino kristiana. Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra nataon’ izy ireny tamin’izany dia naharesy lahatra olona maro hanara-dia ny Tompo. Ho fampaherezana sy ho fampiorenana tsara ireny Fiangonana vaovao ireny no nanirahin’ny Fiangonana tany Jerosalema an’i Barnabasy. Nananatra, nampahery ny olona ny amin’ny fiainana miaraka amin’i Jesoa Kristy i Barnabasy, naharesy lahatra olona maro ny asany, ka nahatonga ny Fiangonana handroso hatrany (and.23, 24).
2- Mahay miara-miasa amin’ny namany
Nitombo isa ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tao Antokia. Tsy nijanona niasa irery tamin’ny fampianarana sy fikarakarana ny fiainam-panahin’ny mpino i Barnabasy fa nandeha nitady an’i Paoly tany Tarsosy hanampy azy. Naharitra herintaona izy roalahy niaraka nanatanteraka ny asa fanompoana tao Antokia noho izany. Izany fiaraha-miasa izany dia noho ny asan’ny Fanahy Masina nitarika, nampahery azy ireo ary indrindra nampiombona tamin’ny asa fanompoana. Ny olona manana ny Fanahy Masina dia mahay miara-miasa amin’ny olomboafidy toa azy ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara.
Fanontaniana:
Mahay miara-miasa ve ny samy mpino Kristiana amin’ny fampandrosoana ny asan ‘ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM