Ilay Fanahy Masina mampandresy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Mey 2022
2 Tesaloniana 2,1 - 12
1 [Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, 2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. 3 Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, 4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. 5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? 6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny. 7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy] 8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)] 9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra 10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. 11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Ilay Fanahy Masina mampandresy

« Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany» (and 7)

1- Mampiorina tsara ny mpino

Tsy maintsy ho avy ny andro hihavian’ny Tompo. Mialoha izany dia hiseho ny mpampianatra sandoka, ilay mpamitaka ny olona, mitarika ho amin’ny fihemorana amin’ny finoana, mampangatsiaka ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra. Na dia eo aza anefa izany asan’ilay lehilahin’ota izany dia mila matoky sy miorina tsara isika satria efa nomena ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no «ilay misakana « (and 7) ny asan’ilay ratsy tsy hanimba ny tena finoana. tsy handrava ny famonjena efa noraisin’ny mpino. Meteza hotarihin ‘ny Fanahy Masina mandrakariva dia hiorina tsara sy handresy ny faminganan’ ilay ratsy ianao.

2- Manolotra ny fandresena miavaka

Miezaka mandevona ny finoana ao anatin’ny mpino ilay ratsy, ilay lehilahin’ota. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny herin’ilay ratsy dia tsy mahatohitra ny Hery sy ny fahalehibiazan’i Jesoa Kristy izany. I Jesoa Kristy no handevona azy amin’ny fofonain’ny vavany (and. ). Io fofonain’ny vavan’i Jesoa Kristy io dia ny Fanahy Masina nomena ny mpino. Nomena ny Fanahy Masina ny mpino mba tsy hiady irery manoloana ny fampianaran-diso. Izay manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina dia ho mpandresy amin’ny andro hihaviany indray.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao hanoherana ny fampianaran-diso?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM