Ny Fanahy Masina ao amin’ny olom-boafidy 

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Mey 2022
Eksodosy 35,30 - 35
30 Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, 31 ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa, 32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina, 33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra. 34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana. 35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.

Ny Fanahy Masina ao amin’ny olom-boafidy

Mba hisian’ny fahombiazana eo amin’ny asa fanompoana dia nomen’ Andriamanitra ny Fanahiny ny olom-boafidy.

1- Manana fahendrena

Toetra tsara mampiavaka ny olom-boafidin Andriamanitra ny fahendrena. Ny fahendrena dia ny fahatahorana ilay Andriamanitra nifidy. lo tahotra io dia manery asa hanao asa tsara sy mendrika ho an’ilay Andriamanitra nifidy. Rehefa ao anatin’ny olona ny Fanahin’ Andriamanitra dia miezaka manao asa tsara, hanao asa mendrika izy, hoy ny and.32 «ny hamoron -tsaina hanao asa kanto»

2- Manana fahaizana

Hoy ny and.31 « nofenoina ny Fanahin’Andriamanitra… fahiratan-tsaina ..» Ny Fanahy Masina dia mpampianatra, mpanolontsaina, rehefa manaiky ny asan’ny Fanahy Masina noho izany ilay olom-boafidy dia manana fahaizana, manana fahiratan-tsaina, afaka mamorona, afaka miketrika asa miavaka ho fanomezana voninahitra ilay Andriamanitra nifidy azy.

3- Manana fahaiza-mampianatra

Tsy miasa irery ilay olom-boafidy, misy ireo mpiara-miasa aminy, Mba ahafahany mampita ny fahalalana, ny toro-marika amin’ny asa tanterahina amin’ireo mpiara-miasa aminy dia nomena azy ihany koa ny Fanahin Andriamanitra. Ny asan’ny Fanahy Masina araka izany dia mitarika ny olom-boafidy hizara ny fahaizany, hampianatra ny mpiara-miasa aminy mba hahafahana manatanteraka ny tanjona kendrena.

Fanontaniana :

Misy ve olom-boafidy manao asa kitoatoa? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM