Ny olona handray ny Fanahy Masina Antso ho amin’ny fandraisana an’i Jesoa Mpamonjy.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Mey 2022
Marka 1,1 - 8
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany] 3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.Ny olona handray ny Fanahy Masina Antso ho amin’ny fandraisana an’i Jesoa Mpamonjy.
1- Manarina ny fiainana
Hoy ny and.3 «amboary ny làlan’i Jehovah…». Antsoina hanamboatra làlana ho an’i Jehovah ny olona. Ny làlana simba no mila fanamboarana, ilaina fanarenana. Eo koa ny zavatra simba, nirodana, nianjera, rava no mila fanamboarana ho fanarenana. Tsarovy fa ny fifandraisan’ny zanak’olombelona tamin’Andriamanitra nisy fahasimbana, faharavana, no nirodana noho ny fahotana. Mba ahafahan’ny olona mandray ilay Jesoa Mpamonjy, eny mba ahafahan’ny olona mandray ny Fanahy Masina honina sy hitoetra ao anatiny dia mila fanarenana, fanamboarana ny fiainan’ny olona.
2- Manatsara ny fiainana
Hoy ny and 3 «ataovy mahitsy ny lalan-kalehany». Ny meloka. ny mivilana no mila ahitsy mba ho mendrika. Mahakasika ny lålana kosa dia ny lålana mikorontana, mikitoatoana no ahitsy mba hanamorana ny fifandraisana sy ny fihaonana. Tsarovy fa ny fiainan’ny olombelona, ny fony no misy fahabangana, misy tsy ampy ka ilaina fanitsiana. Ny olona tsy manana toetra feno fahitsiana, manao zavatra tsy mendrika eo anatrehan’Andriamanitra dia mila ahitsy ny fiainana. Ny olona manana toetra mendrika, miaina amin’ny fahatsarana no afaka honenan’ny Fanahy Masina. Diniho ny toetranao.
Fanontaniana: Midika inona aminao ny voalaza ao amin’ny 1Kor 6.19 manao hoe: «Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia Tempolin’ny Fanahy Masina… »?