Andriamanitra no Tompon’ny tantara

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Mey 2022
Deoteronomia 34,5 - 12
5 Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah. 6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. 8 Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy. 9 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 10 Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika 11 tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra 12 ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.

Andriamanitra no Tompon’ny tantara

1-Izy no mametra ny fotoanan’ny olona

Raha zohina ny tantara araka ny Soratra Masina , dia mizotra araka izay nikendren’ny Tompo azy ny fiainan’Israely .Maty i Mosesy ary nalevin’Andriamanitra tao amin’ny tany Moaba . Azo inoana fa ataon’Andriamanitra izay tsy hahitan’ny olona ny fasany sy ny nandevenana azy , mba tsy hahatonga azy ireo hivavaka amin’ny fasana na ny taolambalon’i Mosesy . Nahatsiaro fahabangana lehibe ny zanak’Israely amin’izao fahafatesan’i Mosesy izao .Voalaza fa izy no anisan’ny Mpaminany lehibe indrindra teo amin’Israely , ary tsy misy tahaka azy (and10,11) . Nahatratra roapolo amby zato taona ny andro niainany ary voalaza fa tsy nihena ny heriny , ary tsy pahina ny masony (and7).Tsy miankina amin’ny zava-bita na ny herim-batana ny fe-potoana fa miankina amin’Andriamanitra izay Tompon’ny tantara.

2-Izy no manendry ny mpitarika hanohy ny asany

Efa nambaran’i Mosesy tamin’Israely fa hitsahatra tsy ho ela ny andraikiny , araka izay nolazain’ny Tompo .Tamin’izany no nampaherezany ny Israely ka nilazany fa ny Tompo mihitsy no hialoha làlana azy ireo hiampita an’i Jordana ka hanolotra ho azy ny tany Kanana.Tamin’ izany koa no nanehoany fa i Josoa no handimby azy araka izay efa nolazain’ny Tompo rahateo (Deo 31.1-8). Ity tantara ity no mampiseho amintsika fa eo am-pelatànan’Andriamanitra avokoa ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.Jesoa no nanafaka antsika .Izy no mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina , ary Izy no efa nialoha làlana ka nanomana fiainana mandrakizay ho antsika .Ny anjarantsika dia ny manaiky ny fitarihan’nyFanahy Masina .

Fanontaniana:Azonao antenaina ve ny fiainana mandrakizay ? Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM