Ny fitondrantena mahamendrika ny kristiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Mey 2022
EFESIANA 5.8-21
EFESIANA 5.8-21
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. 13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. 14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. 15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, 16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. 17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. 18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, 19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, 20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, 21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,Ny fitondrantena mahamendrika ny kristiana
Manome fampianarana ho antsika momba izay tokony ho fitondrantena ny Apostoly Paoly araka izao manaraka izao :
1-Mandeha amin’ny fahazavana
« Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy » (1 Jao 1.5). Ny olona mandeha ao amin’ny fahazavana dia izay mamantatra sy manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra (and10) , dia ny fahatsarana , ny fahamarinana, ny rariny sy ny mahitsy .Tokony ho fantantsika izay sitrapon’ny Tompontsika . Ilana ezaka sy finiavana izany .Ny kristiana tsy mandeha ao amin’ny mazava dia tahaka ny olona iray izay matory miaraka amin’ny faty manodidina azy ,ka ny fiezahana hiarina no làlana handraisana ny fahazavana avy amin’i Kristy .Avy amin’izany no nahatonga ny Apostoly hiantso hoe: « Mifohaza ianao izay matory , ary mitsangàna amin’ny maty dia hampahazava anao Kristy (and14)