Jesoa no mahafaka hetaheta
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Mey 2022
JAONA 7.37-44
JAONA 7.37-44
37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] 40 Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. 41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? 42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)? 43 Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka. 44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.Jesoa no mahafaka hetaheta
Tsy ny rano ihany no mampangetaheta fa ny faniriana tsy mety tanteraka dia mety mampangetaheta ny olona avokoa.
1-Miantso izay mangetaheta hanatona Azy Jesoa (and37)
Ny andro farany izay andro lehibe indrindra tamin’ny andro firavoravoana teo amin’ny Jiosy no nanaovan’i Jesoa fanambarana tamin’izay rehetra nanatrika teo hoe : « Raha misy olona mangetaheta , aoka izy hanatona Ahy ka hisotro » (and37) .Mifandraika amin’ny fahatsiarovana ny hetaheta nahazo ny zanak’Israely tany anefitra izany fanambarana izany .Tamin’izany , rehefa nangetaheta mafy ny olona dia nanehoan’Andriamanitra fahagagana tamin’ny alalan’ny fanomezana rano avy tamin’ny harambato .Tiany ampahafantarina izay rehetra mihaino azy ,fa hetahetam-panahy no mahazo ny olona ankehitriny ka tsy hahitany fitoniana .Izay rehetra manatona sy mino Azy ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy eo amin’ny fiainany no tsy hangetaheta intsony .
2-Manome ny Fanahy Masina Izy (and38)
« izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony , araka ny voalazan’ny Soratra Masina « (and38) . NY hevitr’izany dia izao : izay rehetra mino Azy dia ho feno ny Fanahy Masina . Jesoa dia efa nilaza hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » (Asa 1.8) .Ny Fanahy Masina no hery handresena ny fahotana (Gal 5.16-17) , manampy amin’ny fahalementsika (Rom 8.26) , hery manavao sy mamelona fanantenana maharitra mandrakizay , manolo-tsaina amin’ny fivavahana (Efes 2.18) .Ny Fanahy Masina no toy ny ranovelona miboiboika avy ao anaty ka mahatonga ny olona ho feno fifaliana marina sy fiadanam-po tanteraka .
Fanontaniana :
Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ve ianao ? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM