Manarina ny vahoakany Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Mey 2022
EZEKIELA 36.22-30
EZEKIELA 36.22-30
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.Manarina ny vahoakany Andriamanitra
1-Mba hanamasinana ny anarany
Ny bokin’i Ezekiela no hahafahantsika mamantatra ny fiainan’ireo Jiosy lasan-ko babo tany Babylona .Ny faharesen’Israely sy ny nahafdahan’ny firenena hafa nanaisotra azy ireo tamin’ny taniny dia noheverina ho faharesen’i Jehovah mihitsy .Misy aza ireo nihevitra fa tafajanona any Palestina Jehovah , ka tsy mahita izay manjo azy ireo . Nohamavoin’ny firenena namabo azy ny Anaran’i Jehovah sady nolotoin’ny olona tamin’ny fanompoan-tsampy ny Tempoly . Ny tsy fahaizantsika manome voninahitra an’Andriamanitra dia mahatonga ny olona hanao tsinotsinona Azy .Amin’izany dia sady hoesoesoin’ny olona isika no hamavoin’ny olona ny Anarany masina .Saropiaro amin’ny fahamasinany Andriamanitra .Tsy tiany ho voaloto ny Anarany ka miditra an-tsehatra Izy .
2-Mba hahatonga ny firenen-drehetra hahalala Azy
Mamerina ny vahoaka ho any amin’ny taniny indray Andriamanitra .Eto dia tsy miankina velively amin’izay natao’Israely ny famonjen’Andriamanitra fa asany samirery .Tiany haseho eo imason’ny Jentilisa fa masina ny Anarany (and23) , manangona ny olony Izy ka mamerina azy ho any amin’ny taniny , manavao ny fanekeny indray Izy sady manavao ny olony (and26) ,mitondra fitahiana sy fahavokarana Izy (and 29,30). Ny fanavotana antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia tokony hahatonga ny firenena rehetra hahalala ny Anaran’Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahamasinany .
Fanontaniana :
Hita taratra amin’ny fiainan’ny fiangonana ve ny fahamasinan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM