Ilay Andriamanitra mahery dia :
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Aprily 2022
1 SAMOELA 2.1-10
1 SAMOELA 2.1-10
1 [Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho. 2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . 3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. 4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery. 5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka. 6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary mampitsangana.[Heb. Sheola] 7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra. 8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao. 9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina] 10 Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.Ilay Andriamanitra mahery dia :
1-Masina indrindra
« Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah « (and 2) .Andriamanitra irery no masina .Tsy misy tahaka azy .Didiany ho masina ihany koa ny mpanompony . »Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo , satria masina Aho , hoy i Jehovah « (Lev 20.26) .Voatokana ho an’ny Tompo isika .
2-Andriamanitry ny fahalalana
« Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana » (and3d).Izy no nahary antsika .Izy no mahafantatra ny antsipirihany amin’ireo singa mandrafitra ny tenantsika hatramin’ny bitika indrindra .Any aminy ny vaha-olana.
3-Mampitsangana
« Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana » (and6) .Fahefan’ny Tompo ny fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny olona , na ho amin’ny fahaverezana , na ho amin’ny famonjena .Raisin’iHana ho toy ny fananganana ny fanomezana taranaka azy na dia efa nanana olana mifanandrify amin’izany aza .
4-Mampanankarena
Samy manana izay heveriny ho harena ny tsirairay .Ho an’iHana dia ny fiatrehana ny rafiny noho ny tsy fananana zanaka no mampahory azy . Rehefa novahan’Andriamanitra io olany io dia nijoro vavolombelona izy fa » Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena » (and7). Ny fitahian’Andriamanitra no mampanan-karena (Oha 10.22)
Fanontaniana :
Tanisao izay fantatrao fa mampiavaka ny Tompontsika
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM