Miavaka amin’izao tontolo izao ny mpino

Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Aprily 2022

Ohabolana 10. 1-12

Ohabolana 10. 1-12
1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. 2 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. 3 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy. 4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto. 5 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. 6 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra* ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza] 7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy. 8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. 9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. 10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. 11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy*. [Izahao and. 6] 12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.

Miavaka amin’izao tontolo izao ny mpino

1 – Misitraka famonjena

« Ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana » (and. 2). Andriamanitra irery no marina. Io fahamarinan’Andriamanitra io no hamonjena ny mpino. Foin’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao izany famonjena izany saingy izay miziriziry tsy manaiky Ilay lalàna sy fahamarinana ary fiainana, izy dia tsy afaka misitraka io famonjena sarobidy io. Ilay Andriamanitra marina dia mitana ny teniny sy ny fanekeny tamin’ny Abrahama ary mitohy hatramin’ny taranaka ankehitriny ny fikasam-pamonjeny hitondra any amin’ny tany vaovao sy lanitra vaovao, ka mamonjy amin’ny fahafatesana.

2 – Misitraka fitahiana

« Fitahiana no ho ao amin’ny lohan’ny marina » (and. 6). Samy tsy afa-misaraka amin’ny teny hoe : fitahiana avokoa na ny tso-drano, ny hosotra, fanokanana, firobroboana, fampifaliana. Fikasan’ny Tompo mihitsy no hisitrahan’ny mpanompony fitahiana hita maso sy azo tsapain-tànana. Ankasitrahany ny fampitomboana talenta saingy misy fepetra mazava izany dia ny fandehanana amin’ny fahamarinana. Tsy ankasitrahan’ny Tompo kosa ny fikasana hangoron-karena amin’ny fomba fanao izay mifanohitra amin’ny fahamarinana.

3 – Ankasitrahana ny fahatsiarovana azy

Samy hametraka tantara ho lovain’ny tarnaka amam-para isika ankehitriny izao. Na ho laza soa na ho laza ratsy. Ho an’ny marina dia voasoratra fa ankasitrahana ny fahatsiarovana azy. Ny asany manaraka azy.

Fanontaniana :

Inona avy no hiavahan’ny mpino amin’izao tontolo izao ?