Ny fifankatiavana no andresena ny fahafatesana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Aprily 2022

1 JAONA 3.13-17

1 JAONA 3.13-17
13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo. 14 Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. 15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. 16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 17 Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?

Ny fifankatiavana no andresena ny fahafatesana

i Jaona dia mitaona antsika hifankatia amin’ny namantsika ary izany no hamantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo isika .Ny fifankatiavana no handresena ny fahafatesana satria :

1-Efa tafafindra ho amin’ny fiainana isika

iKaina no ohatra ratsy raha namono ny rahalahiny . Mety hitranga koa izany eo amin’ny fiainam-piaraha-monin’ny mpino raha tsy mitandrina.Tsarovy fa efa tafafindra ho amin’ny fiainana ianao .Aza manaiky ho alokalofan’ny fahafatesana intsony . Ampanjakao ny fifankatiavana. Tiavo ny namanao , aoka hanjaka ny fitiavan’i Kristy , fa izany no fiainana. Fa raha mankahala ny rahalahinao ianao dia mbola mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany ary tsy manana fiainana a amin’i Kristy (and 14b)

2-Manolotrra ny ainy hamonjy ny rahalahiny

Jesoa Kristy no ohatra velona eto . Na dia Andriamanitra aza Izy dia naka endrika endrika hita vatana mba hanehoany ny fitiavany ho famonjena antsika . Ny fahavononantsika hizara dia maneho na mitoetra na tsia ao amintsika ny fitiavan’Andriamanitra .Izy no nampianatra antsika amin’ny endrim-pitiavana hamonjy ny hafa (and16). Fa izay rehetra mihirim-belona kanefa manana ihany , ka tsy mamonjy ny rahalahiny dia tsy ao aminy ny fitiavan’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona no fahafatesana teo amin’ny fiainanao no mba efa resinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM