Mba manam-potoana voatokana hankalazana ny Tompo Jesoa ve ianao ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Aprily 2022
JAONA 12.12-19
12 Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, 13 dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15 Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). 16 Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. 17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty. 18 Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. 19 Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

Ny fiakaran’i Jesoa tao Jerosalema no tantaraina eto. Enina andro talohan’ny Paska no nankany Betania Izy ,ary ny ampitson’iny dia nikasa hankany Jerosalema .Io fiakaran’i Jesoa io dia :

1-Niteraka fihobiana nakotrokotroka ho an’i Jesoa (and13)

Nahare ny vahoaka fa hankany Jerosalema i Jesoa .Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny sampandrofia izany.Misy voambolana maro nampiasain’ny mpanoratra teto hanehoana izany . « Hosana ...! izay midika hoe: « Ataovy mpandresy izahay » no nampiasaina satria i Jesoa dia noraisin’izy ireo toy ny mpanafaka azy amin’ny gejan’ny Romana.Isaorana anie izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah …izay anambaran’izy ireo ny maha- irak’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy hitondra fanavotana ho azy .Ataovy makotrokotroka tahaka izany koa ny fandraisanao an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao , ary asehoy amin’ny alalan’ny fihetsika izany . Ohatra : fihobiana , mba handraisanao ny famonjena entiny ho anao.

2-Mahatanteraka ny Soratra Masina (and14-15)

Nitaingina zana-boriky iJesoa fa tsy soavaly .Midika izany fa tsy ho amin’ny ady na herisetra mihitsy no nahatongavany . I Jesoa mantsy dia tena Mpanjaka , araka ny and 15 ny amin’ny Zakaria 9.9 « Mpanjakanao ». Noho izany dia tsy azon’ iza na iza baikoina izy .Saika nalain’ny Galiliana an-keriny i Jesoa hataony mpanjaka , kanefa tsy azony (Jao 6.15) .Tanteraka tokoa izay voalazan’ny Mpaminany , satria i Jesoa Kristy mihitsy no ilay teny tonga nofo . Izy tonga voavono mba hamonjy ny zanak’olombelona . Ary izany fahatanterahan’ny Soratra masina izany dia tsy fantatry ny mpianatra raha tsy taorian’ny fihobiana .Sarobidy tokoa ny Tenin’Andriamanitra , izay tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy dia meteza àry ianao hanaiky sy hanaraka izany .

Fanontaniana:

Mba manam-potoana voatokana hankalazana ny Tompo Jesoa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM