Ny hira fiderana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Aprily 2022
Ny hira fiderana an’Andriamanitra
1 – Noho ny famonjena nataony

Tsy biriky mandrafitra ny manda izay maha mafy fiarovana ny tanàna ihany no ambaran’ny mpanoratra amin’izao hira fiderana izao, fa ny famonjena izay omen’Andriamanitra ho an’izay matoky Azy. Ny famonjena dia ho manda fiarovana azy ireo eo anatrehan’ny fahavalo. Tsara antoka ny mpanompon’Andriamanitra izay matoky an’i Jehovah ho arony. Na dia teo aza izay noheverina ho sedra mafy tsy maintsy atrehina, tsarovy ry mpino, fa avy amin’Andriamanitra ny famonjena, izay tanteraka tao amin’i JESOA KRISTY, ary Izy no Mpamonjy nahafoy ny ainy, ho an’izao tontolo izao. Fa Mpamonjy no teraka ho antsika.
2 – Noho ny fandreseny
Mankalaza ny fandresena ny mpanoratra, ary ny voalohany amin’izany dia fandresena ara-panahy. Ho an’izay tsy niovaova fa nifikitra tamin’ny Tompo. Ao koa ireo izay nametra-pitokisana tamin’Andriamanitra, satria vatolampy mandrakizay Izy, ary fanorenana mafy sady antoka. Taomina ary ianao hahazo antoka fa ny fandresen’i Kristy dia fandresena ho anao ihany koa !
Ry havana, amin’izao fankalazana ny Paska izao dia ho mpandresy miaraka amin’i Jesoa anie isika.
Fanontaniana :
Mahatsiaro ho mpandresy ve ianao tamin’ny ady natrehina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM