Jesoa Kristy maneho ny maha-Andriamanitra Azy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Aprily 2022
Marka 5,35 - 43
35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia] 37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. 39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. 41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona. 43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Jesoa Kristy maneho ny maha-Andriamanitra Azy

1 – Mitaky finoana (and. 36)

Nidina ny sambokely i Jesoa dia nanatona Azy i Jairo niangavy Azy mba hamonjy ny zanany vavy 12 taona efa ho faty. Teny an-dàlana ho any an-tranon’i Jairo anefa dia nisy hafa koa. Nanendry ny fitafian’i Jesoa izy dia tsapany fa nisy hery niala taminy. Sitrana ilay marary, nidera azy tamin’ny finoany Izy. Tao anelanelan’izay fotoana izay dia maty ilay zanakavavin’i Jairo, nefa hoy Jesoa : « Minoa fotsiny ihany », izany hoe manome toky mihitsy i Jesoa, nanala ny tahotra tao anatiny ho tonga finoana. Tsy finoana miankina amin’ny zavatra hita maso na ren’ny sofina no ilain’i Jesoa, fa finoana Azy, izay manana ny fahefana hanangana ny zanany. Rehefa mitodika amin’Andriamanitra tokoa mantsy ny olona iray rehefa tojo zava-tsarotra dia omen’Andriamanitra fanantenana ka tsy kivy. Finoana ihany no takian’i Jesoa eto satria ny finoana dia tapa-kevitry ny olona iray samirery ary mandresy zavatra maro. Meteza ary ho olon’ny finoana an’i Jesoa.

2 – Mitsofoka amin’ny fiainan’ny olony (and. 40)

Rehefa maty ilay zanakavavin’i Jairo dia nanomboka ny fomban-drazana momba ny fisaonana. Teo ihany koa ny tabataban’ny olona, fitomaniana. Rehefa nilaza indray i Jesoa hoe : « Tsy maty razazavavy fa matory » (and. 39) dia nihomehezan’ny olona Izy satria ireo tsy mba nanam-pinoana. Ny fihetsik’i Jesoa eto dia tena maneho fa raisiny an-tànana ny fiainan’ny olony, na manoloana ny fahafatesana aza izay heverina fa marary amin’ny maha-olombelona. Ampandrosoy eo amin’ny fiainanao ary i Jesoa, fa Izy irery ihany no mahay mandamina sy mandrindra ny toe-javatra miseho amin’ny fiainana.

Fanontaniana :

Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao tokoa ianao, manao ahoana ny fiainanao miaraka Aminy ?

Sampana Sekoly Alhady FOIBE FJKM