Maty ny olona noho ny fahadisoana sy ny fahotana
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Aprily 2022
Efesiana 2 : 1 - 7
Efesiana 2 : 1 - 7
1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,Maty ny olona noho ny fahadisoana sy ny fahotana
Raha ny filazan’ny Soratra Masina eto dia tsy azo ialana mihitsy amin’ny maha olona ny fahadisoana sy ny fahotana. Ambara eto fa fomban’izao tontolo izao izany ary ampanaovin’ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra ary koa hamarinina eto fa efa nalehanareo indrindra izany. Voalaza eto izao ny hoe niaina tamin’ny filan’ny nofo sy ny fanaovana ny danin’ny nofo sy ny saina ny olona, Manamafy izany indrindra ny Soratra Masina manao hoe » tsy misy marina na dia iray aza » (Sal.14:1-3, Rom.3:10-12) Aoka ary tsy hisy hanamarin-tena raha mbola olona koa na iza na iza tsy misy afaka amin’izany. Na izany aza anefa, tsy milaza mihitsy izany toejavatra izany hoe tsy misy vahaolana intsony ny faharatsiana sy fahotan’ny olona satria.
Na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy Izy
Misy fanambaram-potoana anakiroa eto: ny fahiny sy ny ankehitriny. Ambara eto izany fa na dia izany toe-javatra izany aza no niainan’ny olona fahiny dia tsy avelan’Andriamanitra ho tavela amin’ny faharatsiana sy fahotana sarin’ny fahafatesana izany akory ny olona fa indro nomeny fahavelomana kosa tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa ankehitriny. Meteza ary miaina izany ankehitriny izany ka mandao tanteraka ny faharatsiana samihafa
Fanontaniana :
Ahoana no handaozana ny fahiny sarin’ny fahafatesana sy ny hiainana ny ankehitriny maneho fahavelomana?