Mitoera ho mpanompo mahatoky
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Martsa 2022
Mitoera ho mpanompo mahatoky
Ity tantara ity dia notsongaina tao amin’ny tantara manambara ny nifidianana izay ho solon’i Jodasy izay namadika an’i Jesoa .
1-Dia hazony ny antso niantsoana anao
Nitsangana teo afovoan’ny mpianatra rehetra i Petera ka nanambara fa i Jodasy dia efa nahazo ny zara fanompoana mitovy amin’ny mpianatry ny Tompo rehetra. Izany fanambarana izany dia maneho fa tsy afaka hirehareha fotsiny isika fa manana ny Tompo .Mila mitandrina ihany koa sao ho voarombak’i satana. « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara , dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (1 Kor 10.12)
2-Fa zava-tsarobidy no efa nomena anao
Efa tao anaty toerana tsara i Jodasy ,saingy tratry ny mena miraviravy ka nanakalo vola ny fitahiana sy ny fahasoavana teo anilan’i Jesoa.Maro isika no manome tsiny azy , noho izany fahalavoany izany, kanefa maro be isika no tratran’ny fakampanahy hamadika nyTompo . Amin’izany dia sahintsika ny mandà an’i Jesoa amin’ny tombotsoa samihafa . Vitantsika ny mijanona tsy mankany am-piangonana na miala amin’ny asa fanompoana noho ny fitadiavam-bola na raharaham-barotra. Adinontsika tanteraka ny Tenin’iJesoa hoe: « Kanefa , katsaho ny fanjakany dia hanampy ho anareo izany zavatra izany » (Lio 12.31) sy ilay nambaran’i Solomona hoe: « zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana.Izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy » (Sal 127.2)
Fanontaniana :
Inona no mbola lehibe eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM