Mamaly araka ny ataontsika ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Martsa 2022

LIOKA 20.45-47

LIOKA 20.45-47
45 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra: 46 Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana, 47 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Mamaly araka ny ataontsika ny Tompo

Anatra nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany no omeny antsika rehetra anio. Ambarany ny zavatra ataon’ny mpanora-dalàna .

1-Aza ho tsara ivelany

Amintsika Malagasy dia misy ny fomba fiteny hoe : » mpihatsaravelatsihy » . Ny hevitr’izany dia izao : asisiky ny olona ao ambany tsihy ny loto sy ny fako, rehefa misy vahiny miditra ka ny tsihy madio ny tazana sy andraisany ny vahiny . Dia toy izany ireto mpanora-dalàna ireto .Miseho ho tsara amin’ny akanjo anaovany sy ny famindrany fa ny toe-pony dia mifanohitra amin’izay eo ivelany . Maro koa isika no kristiana fasana ka madio ivelany . Ny ao am-pontsika dia ratsy sy feno loto fa ny fihetsika ivelany dia mahamenatra ny Tompo .

2-Aoka ho feno fanetren-tena

Na ny mpanora-dalàna na ny mpianatry ny Tompo dia samy nampianarina ny Tenin’Andriamanitra , kanefa tian’i Jesoa hiavaka izay manara-dia Azy .Efa nanome ohatra ratsy teo amin’ny fiaraha-monina ny mpanora-dalàana ka nanamavo ny Tenin’Andriamanitra .Ny mpianatry ny Tompo kosa dia nampitandremany . Hitantsika fa fanamelohana mafy no hahazo ireo mpanora-dalàna ireo noho ny ratsy ataony . Fa isika kosa handova fitahiana sy fahasoavana raha mitoetra tsara ho tena mpianatry ny Tompo .Hoy i Jaona hoe : « Izy tsy maintsy mitombo , fa izaho kosa tsy maintsy mihena » (Jao 3.30)

Fanontaniana :

Efa tonga ohatra tsara amin’izay misy anao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM